Ny labiera dia ny zava-pisotro misy alkola mety ho antitra indrindra.[1][2][3][4] Zava-pisotro misy alkola be mpisotro indrindra[5] ary mahazo ny laharana fahatelo eo amin’ny zava-pisotro rehetra (aorian’ny rano sy dite) ny labiera.[6]
Izy dia novokarina avy amin’ny fanotrihana karazana serealy, orga malita (orga efa mitsiry dia hamaina amin’ny rivotra mafana), nefa misy ihany koa mampiasa varim-bazaha, ary katsaka, sy vary. Ny tsiro mampiavaka ny labiera dia avy amin’ny hobolona, ilay fangaro mampisy tsiro mangidy ary miaro ny labiera mba tsy ho simba. Indraidray ny mpamoakatra manisy ahitra manitra na voankazo amin’ny labiera mba hanome tsiro samihafa.
Isany ny soratra voalahany nataon’ny olombelona fahagola tamin’izany ny tsiahy momba ny famokarana sy fiparitahan’ny labiera : ohatra anatin’ny Fehezandalàn’i Hammorabi misy lalàna mifehy ny labiera sy ny fivarotam-dabiera.[7] Ny “Hiran’i Ninkasi” dia vavaka ho an’i andriamanitravavin’ny labiera Mesopotamia ary nampatsiaro ny fangaro sy ny fomba famokarana labiera ireo olona ireo, satria tamin’izany fotoana izany, vitsy ny olona mahay mamaky teny ka niteraka voaka-tsoa ho azy ireo izany vavaka izany.[8][9] Ankehetriny, ny famokarana labiera dia lasa bizina globaly, izany hoe misy orinasa vitsivitsy isakin’ny firenena midominina eo amin’ny tsena, nefa ankoatra ireny, misy ihany koa orinasa kely amandrivony mamokatra labiera ho an’ny tsena rezionaly sy anatiny.
Ny taha ny alkola misy ao amin’ny labiera dia eo anelanelan’ny 4% hatramin’ny 6%, kanefa misy ihany latsaka ny 1% ary mety hihaotra ny 20% ny tahan’ny alkola ao anatiny.
Labiera ihany koa dia isan’ny karazana kolon-tsaina ho an’ny firenena tia misotro azy ary voasokajy ho isan’ny vakoka ara-tsosialy toy ny fetin’ny labiera, ankoatra izany dia manan-danja kokoa amin’ny olona sasany ny fandehanany any amin’ny toeran-pisotroina, sns.