I Abrahama, araka ny lovantsofina jiosy sy silamo, dia razamben' ny Hebreo (na Israelita) sy ny Ismaelita. Mety teo anelanelan' ny taona 2000 sy 1500 tal. J.K. no nianinany.
Atao hoe אַבְרָהָם / Avra'ham izy amin' ny teny hebreo, fa إبراهيم / Ibrahim amin' ny teny arabo, ary አብርሃም / Abraham amin' ny teny geezy. Ao amin' ny Bokin' ny Genesisy na Bokin' ny Jenezy dia Abrama (izay midika hoe "Rain' ny mino") no anarany fa taty aoriana no nanaovana azy hoe Abrahama (izay midika hoe "Rain' ny firenena maro")[1].
Abrama no anarany tamin' ny voalohany, taty aoriana no vao niantsoana azy hoe Abrahama. Anisan' ny taranak' i Sema izy. Teraka tao amin' ny tanànan' i Ora, any Kaldea. Terà (na Teraha) no anaran-drainy ary i Nahora sy i Haràna no rahalahiny. Nanambady ny anabaviny tsy iray ray/reny aminy atao hoe Saraha izy. I Ismaela no zanany tamin’ i Hagara mpanompony, ary i Isaaka no zanany tamin' i Saraha vadiny. Mbola nanambady an’ i Ketora sy nanana anaka taminy izy taorian' ny nahafatesan' i Saraha. I Anrahama no heverina fa nipoiran' ny fivavahana telo mino Andriamanitra tokana (mônôteista) dia ny fivavahana jiosy sy ny fivavahana kristiana ary ny fivavahana silamo.