Ny Ady Lehibe faharoa (AL2) dia ady mitam-piadiana izay niseho maneran-tany, nanomboka tamin' ny 1 Septambra 1939 sy nifarana tamin' ny 2 Septambra 1945. Io ady maneran-tany io dia nampifanandrina toby roa: ny Mpiray Dina (frantsay: Alliés), izay ahitana ny firenena tandrefana toa an' i Frantsa sy ny Fanjakana Mitambatra ary i Etazonia, miampy ny Firaisana Sôvietika sy i Sina, andaniny, sy ny firenena ao amin' ny Aksisy na Teza (frantsay: Axe), izay ahitana an' i Alemaina Nazi sy ny Empira Italiana ary ny Empira Japôney, ankilany.
Ny Ady Lehibe Faharoa dia vokatry ny tsy fahafaham-po nateraky ny famahana ny Ady Lehibe Voalohany sy ny nofinofi-piitarana (imperialisma) sy fanjakazakana tao amin' ny firenena telo lehibe ao amin' ny Aksisy. Raikitra ny AL2 noho ny fitambaran' ny disadisa sy ny ady an-trano tao amin' ny faritra maro, indrindra taty Afrika (ady faharoa teo amin' i Italia sy i Etiôpia nanombola tamin' ny taona 1935), tao Espaina (ady an-trano nanombola tamin' ny 18 Jolay 1936), tao Sina (ady sinoa-japôney tamin' ny 7 Jolay 1937) ary ary tao Eorôpa Afovoany (fampidiran' i Alemaina an-keriny an' i Aotrisy ho anisan' ny taniny tamin' ny 11 Martsa 1938, ary fakany ny fizaràn-tanin' ny Sodety avy amin' i Tsekôslôvakia tamin' ny 21 Ôktôbra 1938, fanafihan' i Alemaina an' i Pôlônia tamin' ny 1 Septambra 1939).
Nanao fifanekena ny tsy hifanafika ny Firaisana Sôvietika sy i Alemaina nazi tamin' io fotoana io. Raha tamin' ny voalohany nifandray tamin' i Alemaina tamin' ny fizaràna an' i Eorôpa ny Firaisana Sôvietika, dia nanatevin-daharana ny Mpiray Dina tao amin' ny vava ady ao Eorôpa Atsinanana ny Firaisana Sôvietika taorian' ny fivadihan' ny Alemana taminy sy taorian' ny fanafihan' i Alemaina an' i Pôlônia, ka lasa nifanafika indray ny Firaisana Sôvietika sy i Alemaina. Nandao ny tsy fiandaniany kosa i Etazonia taorian' ny fanafihan' ny Japôney an' i Pearl Harbor any Hawaii tamin' ny 7 Desambra 1941. Nanomboka teo dia nanjary maneran-tany tokoa ilay ady, ka nahatafiditra ny firenen-dehibe rehetra sy ny ankamaroan' ny firenena eran-tany, saika amin' ny kôntinanta rehetra.
Nitranga teny amin' ny zanatanin' ny firenena eorôpeanina ihany koa ny ady. Ao ny fanafihan' i Alemanina an' i Libia, ny fanafihan' ny Britanika ny firenena ao Afovoany Atsinanana ary koa ny fanafihany an' i Madagasikara tamin' ny 5 Mey 1942.
Nanomboka nifarana ny ady tao amin' ny sahan' ady eorôpeana tamin' ny 8 May 1945 (9 Mey 1945 tao amin' ny Firaisana Sôvietika noho ny fahasamihafan' ny hasin' ora) tamin' ny filavo lefona tsy misy fepetran' i Alemaina (ny Reich Fahatelo), ary nifarana tanteraka tao amin' ny sahan' ady Azia-Pasifika tamin' ny 2 Septambra 1945 tamin' ny fioavo lefona tsy misy fepetran' ny Empiran' i Japàna.
Ny Ady Lehibe Faharoa no ady mitam-piadiana niseho tamina valaran-tany lehibe indrindra amin' izay fantatry ny olombelona, izay nahitana mpiady maherin' ny 100 tapitrisa avy amin' ny firenena 61, nampiely ny ady tamin' ny velaran-tany 22 tapitrisa km2, ary nahafaty olona 62 tapitrisa teo ho eo, anisan' izany ny sivily maro anisa. Ny Ady Lehibe Faharoa ihany koa no ady ara-potokevitra lehibe indrindra teo amin' ny Tantara, izany no manazava ny nahafahan' ny heri-piaraha-miasa tsikombakomba tao Eorôpa sy Azia voabodo hiray hina amin' ny firenena mpanani-bohitra na fahavalo, sy ny nahafahan' ny fanoherana anatiny tao Alemaina Nazi izay mbola anaty ady, hisy. Amin' ny maha ady amin' ny lafiny rehetra ny Ady Lehibe Faharoa (frantsay: guerre totale), dia namafa saika tanteraka ny fisarahana eo amin' ny sehatra sivily sy miaramila izany ary niteraka fanetsehana faobe ny loharano, tsy ny ara-toekarena sy ara-tsiansa ihany, fa ara-môraly sy ara-pôlitika ihany koa, izay nahatonga ny fiarahamonina maro hirotsaka an-tsehatra tanteraka.
Tsy voatombana tsara ny halehiben' ny fahavoazana ara-materialy. Ny famoizana aina sy ny ratram-po iraisan' ny rehetra sy ny tsirairay dia lehibe, noho ny fihoa-pampan' ny herisetra izay tsy mbola nisy toy izany. Ny fifandonana mantsy dia niteraka heloka bevava an' ady maro, heloka bevava namporisihin' ny herisetra amin' ny fahery vaika sy halalina tsy manam-paharoa nataon' ny miaramila sy ny mpitandro filaminana, herisetra atao amin' ny sivily izay anisan' ny paikady miaramila. Nirongatra ny heloka bevava tsy mbola nisy toy izany, heloka bevava feno habibiana nahakasika vahoaka, indrindra noho ny famporisihan' i Alemaina Nazi sy i Japana Imperialy. Anisan' ireo heloka bevava ireo ny fandripaham-bahoaka tonga hatrany amin' ny fanaobaba sesitany any amin' ny toby famatrarana sy toby fiasana ary toby fandripahana, anisan' izany ny efi-trano famonoana amin' ny etona izay natokana ho famongorana ny vahoaka iray manontolo (Jiosy, Slavy, Tsigana) na sokajin' olona manokana (Kôminista, kilemaina, Vavolombelon' i Jehovah, sns.) indrindra noho ny fampirisihan' ny fitondrana nazi. Ny halehiben' ny heloka bevava nataon' ny resy dia nahatonga famaritana fanamelohana vaovao nataon' ny mpandresy: ny heloka bevava amin' ny maha olombelona, indrindra fa ny fandripahana ny Jiosy tany Eorôpa. Tsy latsa-danja noho izany ny fitondran' i Shōwa (Japàna) tany Azia, izay nahitana ny Kōa-in ("masoivoho fampandrosoana any Azia Atsinanana") nampiditra an-keriny Sinoa hiasa an-terivozona tao Manchukuo, manodidina ny 200 000 ny "vehivavy mpampionona" (izany hoe andevo ara-pilan' ny nofo) nangonina ankeriny avy any Kôrea sy manerana ny Atsinanana Indrindra, ary koa ny fandringanana ny sivily, indrindra tany Sina.
Fanampin' izany ny famonoana ny mpanohitra mitam-piadiana sy ny mpanohitra ara-pôlitika, ary koa ny valifaty famonoana ny sivily, toy ny nataon' ny Nazi; ny fanolanana vehivavy any amin' ny tanin' ny fahavalo voabodo, izay heloka bevava ataon' ny andaniny sy ny ankilany, eny fa na any amin' ny tanin' ny firenena sakaiza koa aza; ny fanaocvana andrana amin' ny olombelona nataon' ny mpitsabo Nazi toy ny SS Josef Mengele, sy ny vondrona Japoney 731; ny fanapoahana bômba ataon' ny fiaramanidina amin' ny sivily faobe nataon' ny Aksisy tany Eorôpa (Coventry any amin' ny Fanjakana Mitambatra, Rotterdam any Nederlandy) sy tany Azia (Shanghai sy Canton ary Chongqing any Sina, io farany io no tanàna voadaroka baomba indrindra tamin' ny ady Sinô-Japôney), avy eo nataon' ny Mpiray Dina: fanapoahana baomba amin' ny tanàna alemàna maro, indrindra fa i Dresden sy i Hamburg any Alemaina, famelezana amin' ny lasantsy an' i Tokyo tao Japàna. Ny baomba atômika novolavolain' i Etazonia nandritra ny fifandonana dia sambany no nampiasaina teo amin' ny Tantara: baomba A roa nalatsak' i Etazonia teo amin' ny lasibatra sivily dia nipoaka telo andro nifanelabelana tany Hiroshima sy tany Nagasaki any Japàna.
Ny Ady Lehibe Faharoa dia nanosika an’i Etazonia sy ny Firaisana Sôvietika, izay mpandresy nisongadina, ho eo amin’ ny laharan’ ny firenena matanjaka indrindra izay lasa mpifaninana sy hanjakazaka amin’ izao tontolo izao sady hifanandrina amin’ ny fifandrafiana ara-poto-kevitra sy ara-pôlitika, nandritra ny antsasa-taonjato latsaka kely, ary hifanandrina ara-tafika amin' ny alalan' ny firenena hafa toy ny tamin' ny Ady tany Kôrea sy tany Vietnamy ary tany Afganistàna. Ny Ady Lehibe Faharoa koa dia nanisy tsy nampiverin-dalana intsony ny fihenan' ny herin' ny fitrenena mpanjana-tany tao Eorôpa, ary nanokatra ny firosoana amin' ny fanafoanana ny fanjanahantany izay nihafaingana tany Azia, tany amin' ny Tontolo Arabo ary taty Afrika, taorian' ny ady ka hatramin' ny taompolo 1960.
Ny haben' ny faharavana sy ny fahafatesana dia nanosika ny fananganana fikambanana iraisam-pirenena, ara-pôlitika sy ara-toekarena izay mikendry ny hisorohana ny toe-javatra mitarika ady (ny Firenena Mikambana, ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena, ny Banky Maneran-Tany ary ny Fifanarahana Ankapobeny momba ny Fadintseranana sy ny Varotra, sns). Farany, ity fifandonana lehibe farany teo Eorôpa ity dia narahin' ny vanim-potoanan' ny firoboroboana ara-toekarena tsy nisy toa azy tao Eorôpa Andrefana, taorian' ny fanarenana, ary ny fipoirana miandala' ny tetikasa fampiraisana ara-pôlitika milamina notarihan' ny firenena mpifahavalo ara-tantara roa, dia i Alemaina sy i Frantsa.