Afrika

Sarin-tanin' i Afrika

I Afrika dia kôntinenta manana velarana mirefy 30 415 873 km2 miaraka amin' ny nosy manodidina azy, ka izy no kôntinenta fahatelo lehibe indrindra eran-tany raha isaina ho kôntinenta tokana i Amerika. 6 % amin' ny velarana manontoln' ny Tany ny velarany ary 20 % amin' ny velaran' ny tany maina manontolo. Voafaritry ny Ranomasina Mediteranea any avaratra, ny Lakandranon' i Suez sy ny Ranomasina Mena any avaratra-atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana any atsinanana ary ny Ranomasimbe Atlantika any andrefana i Afrika. Mahatratra hatramin' ny 1,3 lavitrisa ny mponina ao ka mametraka an' i Afrika ho kôntinenta faharoa eran-tany aorian' i Azia ary ireo mponina ireo dia 17,2 % amin' ny mponina eran-tany tamin' ny taona 2020.

Mamakivaky an' i Afrika eo afovoany ny fehiben-tany ary isan-karazany ny toetany ao aminy: mafana sy mando ny faritra akaiky indrindra ny ny fehiben-tany, trôpikaly kosa ny any amin' ny faritra eo anelanelan' ny fehiben-tany sy ny zana-pehintany tsirairay, mafana sy maina ny manodidina ny zana-pehintany, antonony ny eny amin' ny faritra avo. Miavaka noho ny tsy fahampian' ny rotsak' orana ity kôntinenta ity. Noho ny tsy fisian' ny tahirin-dranomandry sy ny tsy fisian' ny tahirin-drano an-tendrombohitra dia tsy misy fomba hampisy fitsipika mametra voajanahary ny toetany afa-tsy ny fitambaran' ny zavamaniry (indrindra ny ala) sy ny ny ranomasina. 60 % amin' ny velaran' ilay kôntinenta ny tany karankaina, izay manankarena amin' ny lafiny tontolo iainana. Toerana faharoa misy ala mitohy eto an-tany ity kôntinenta ity: ny ala ao amin' ny sahan-dranon' i Congo izany, nefa tandindomin-doza noho ny fitrandrahana tafahoatra, ny fandripahana ala, ny fahatapatapahan' ny faritry ny ala ary ny fihenan' ny isan' ny karazan-javamananaina, vokatry ny asan' ny olombelona, ​izay ​miharatsy koa vokatry ny fiovaovan' ny toetany.

Tamin' ny taona 2020, ny tondro ara-toetany dia nampiseho fisondrotan' ny mari-pana aty Afrika, fisondrotan' ny haavon' ny ranomasina izay mihafaingana, ary ny zava-miseho mahery vaika eo amin' ny toetrandro sy ny toetany mitranga matetika kokoa (ohatra ny tondra-drano sy ny hain-tany ary ny fandravana vokatr' izany). Manambara ihany koa ny fandrahonan' ny fiovana mananontanona sy tsy azo ovaina amin' ny rafitra misy eto amin' ny Tany ny fihakelezana haingan' ny tahirin-dranomandry farany tao Afrika Atsinanana, izay hiempo tanteraka ato ho ato.

Heverina ho toerana nipoiran' ny olombelona voalohany i Afrika, ​​izay nisehoan' ny razamben' ny Olombelona, ​​avy eo, tamin' ny 200 000 taona lasa any ho any, ny olombelona môderina izay niely tany amin' ny faritra sisa hafa amin' ny Tany. Nisehoana fiatoana i Sahara, izay efitra mafana lehibe indrindra eran-tany, ka nitarika fivoarana ara-tantara miavaka maro teo amin' ny faritra avaratra sy atsimo amin' i Afrika. Tamin' ny vanim-potoana lasa dia nivoatra teo amoron' i ony Nily ny sivilizasiônan' i Ejipta taloha, teraka ny sivilizasiona manokan' i Afrika atsimon' i Sahara tany amin' ny faritry ny hivoka; nandray ny kolontsain' ny Fenisiana sy ny an' ny Grika ary ny an' ny Rômana i Afrika Avaratra, izay faritra morontsiraka atsimon' i Mediteranea. Nanomboka tamin' ny taona 3000 tal JK no nisehoan' ny fielezan' ny vahoaka banto tao Afrika. Fihetsehan' ny mponina tao anatin' ny dingana maromaro izany, izay amin' ny ankapobeny, avy any avaratra, manomboka amin' ny faritra be ahitra any Kamerona, mankany atsimo, hatrany amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika, izany dia tratra tamin' ny fiandohan' ny vanim-potoana kristiana. Azo anazavana ny fitsinjaran' ny fiteny sy ny vahoaka ao amin' ny faritra atsimon' i Sahara ankehitriny ny fielezan' ny vahoaka banto.

Niorina taty Afrika tamin' ny taonjato voalohany ny fivavahana kristiana, indrindra tany Afrika Rômana any avaratra amin' ilay kôntinenta, ary avy eo tany Etiôpia. Tamin' ny taonjato faha-7 no niandohan' ny finoana silamo taty Afrika, izay niorina teo amin' ny morontsiraka atsinanana sy tany avaratry amin' ny tapany avaratry ny kôntinenta ka hatrany amin' ny sisiny avaratra amin' ny faritra atsimon' i Sahara. I Afrika Avaratra, niaraka amin' izay koa, dia lasa nanjakan' ny fiteny sy ny kolontsaina arabo. Taty Afrika atsimon' i Sahara, tamin' ny taonjato faha-8 ka hatramin' ny taonjato faha-17, dia nisy empira natanjaka sy nanan-karena nifandimby. Tamin' ny faramparan' io vanim-potoana io, tamin' ny taonjato faha-15, ny Pôrtogey, narahin' ny firenena eorôpeana hafa, dia nanangana fivarotana sy fividianana andevo tany amin' ny morontsiraka andrefana, ny varotra andevon' i Atlantika (atao hoe "raharaham-barotra telolafy"), izay nanampy ny varotra andevo anatiny taty Afrika sy ny fanondranana andevo mankany amin' ny Tontolo Atsinanana izay efa nanjaka teto amin' ny kôntinenta.

Ny taonjato faha-18 dia nanamarika ny fiandohan' ny famantaran-tany natan' ny Eorôpeana, narahin' ny fanjanahantany goavana tao amin' ny kôntinenta teo anelanelan' ny faramparan' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Nitsahatra ny varotra andevo teo am-piandohan' ny taonjato faha-20, nefa teo ambany fahefan' ny mpanjanaka tanteraka ny ampahany be amin' i Afrika mandra-pahatongan' ny tapaky ny taonjato faha-20, izany dia mamolavola ny sisin-tany sy ny toekaren' ny firenena maro voakasik' izany mandraka ankehitriny.

Nahazo ny fahaleovantenany teo anelanelan' ny faran' ny taompolo 1950 (Tonizia, Marôka, Ganà, sns.) sy ny tapaky ny taompolo 1970 (Angôla, Môzambika, sns.) ny ankamaroan' ny firenena aty Afrika. Nahitana "demôkrasia tsy lavorary" na "fitondrana tsy refesi-mandidy” mihitsy aza i Afrika mahaleo tena ary maro ny ady mitranga. Hatramin' ny nahazoan' i Sodàna Atsimo fahaleovantena tamin' ny taona 2011 dia misy firenena 54 manana ny fiandrianany i Afrika (tsy anisan' izany ny Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika sy i Sômalilandy).

Sarin-tanin' i Afrika maneho ny sainan' ny firenena ao aminy

Ireto ny firenena ao Afrika, raha ampidirina ireo mbola tsy ankatoavin' ny firenena maro: Afrika Atsimo, Alzeria, Angôla, Benîno, Borkina Fasô, Borondy, Bôtsoana, Ejipta, Eritrea, Esoatiny (Soazilandy taloha), Etiôpia, Gabôna, Gambia, Ganà, Ginea, Ginea Bisao, Ginea Ekoatôrialy, Jibotỳ, Kamerona, Kapvera, Kenia, Kômôro, Kôtidivoara, Lesôtô, Liberia, Libia, Madagasikara, Malaoỳ, Malỳ, Maorisy, Maoritania, Marôka, Môzambika, Namibia, Nizera, Nizerià, Oganda, Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, Repoblikan' i Afrika Afovoany, Repoblikan' i Kôngô, Roanda, Saô Tôme e Prinsipe, Seisely, Senegaly, Siera Leôna, Sodàna, Sodàna Atsimo, Sômalia, Sômalilandy, Tanzania, Tôgô, Tonizia, Tsady, Zambia ary Zimbaboe.

Ny mponina aty Afrika no fatra-pitombo indrindra eto an-tany ary nihatsara ny toe-pahasalamana na dia tsy mandroso haingana raha mitaha amin' ny any amin' ny firenena an-dalam-pandrosoana hafa. Miorina amin' ny fandaminana mifototra amin' ny fianakaviana sy ny maha anisan' ny foko ny tena ny fiarahamonna aty Afrika; misy vondrom-poko manodidina ny arivo ao amin' ity kôntinenta ity, izay misy fahasam-piteny lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao, ahitana fiteny manodidina ny 2 000. Ao anatin' ny toe-javatra maha sarotra ny fitantana ny rahatraha momba ny mponina i Afrika amin' izao fotoana izao noho ity kôntinenta ity izay mbola tsy mandroso ara-toekarena na dia eo aza ny fitomboan' ny toekarena izay matanjaka nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21, izay nahatonga ny fisandratan' ny saranga anelanelany, tsy dia mahavokatra, manana fidiram-bola ambony. Anisan' ny olana amin' ny fitantanana ny mponina ny tsy fananana asa, ny fahampian' ny famatsiam-bola ho an' ny fampianarana.

Ara-toekarena dia nitohy hatramin' ny Andro Taloha ny varotra ifanaovan' ny samy kôntinenta, ary tamin' ny vanim-potoan' ny empira lehibe dia ity kôntinenta ity no mpamatsy volamena ny Tandrefana sy Tatsinanana. Taty aoriana, ny fanjanahantany dia nitarika ho amin' ny fampisahanana sehatra ara-toekarena manokana ho an' ny mpanjanaka izay saika lasa tsy nitodika afa-tsy any ivelany, natokana ho an' ny fanondranana akora fanodina (mineraly sy vokatry ny fambolena) ho any amin' ny renivohitry ny firenena mpanjanaka. Satria mbola manana tahirin-tsolitany sy harena an-kibon' ny tany lehibe i Afrika dia mbola mitohy io toe-javatra io amin' izao taonjato faha-21 izao, ka vokatr' izany dia mbola mitohy koa ny fisian' ny "firenena mpampanofa" sy ny ôligarsia maro izay maka ny vola miditra izay manimba ny tombontsoan' ny mponina izay mijanona ho mahantra. Kely dia kely ny toeran' i Afrika eo amin' ny fanatontoloana ara-toekarena ankehitriny, tsy toy ny tamin' ny taonjato maro lasa. Na izany aza dia nanomboka fiovana ara-toekarena nandritra ny vanim-potoana farany ny firenena sasany noho ny toekarena lasa ahitana sehatr' asa maro samihafa sy noho ny fivoaran' ny seha-pihariana faharoa ary ny "fitomboana tsy manilika".


Developed by StudentB