الجمهورية الجزائرية الديمقراطية الشعبية ((ar)) | ||||||
Tagduda tamegdayt taɣerfant tazzayrit kab | ||||||
ⵝⴰⴳⴷⵓⴷⴰ ⵝⴰⵎⴳⴰⵢⵝ ⵝⴰⵖⴻⵔⴼⴰⵏⵝ ⵝⴰⴷⵣⴰⵢⵔⵉⵝ kab | ||||||
Repoblika Aljeriana Demôkratika sy Entim-Bahoaka ((mg)) | ||||||
| ||||||
Teny filamatra : La révolution par le peuple et pour le peuple | ||||||
Teny ofisialy | Arabo tsotra[1] [2] | |||||
Renivohitra | Alger 36°46' N, 03°03' E | |||||
tanàna ngeza indrindra | Alger | |||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiministra |
Repoblika Abdelmadjid Tebboune (عبد المجيد تبون) Aymen Benabderrahmane (أيمن بن عبد الرحمان) | |||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 11 2 381 741 km² tsy fantatra | |||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 35 34 857 029 mpo. 14,0 mpo./km² {{{1}}} | |||||
Anaran'ny mponina | Aljeriana | |||||
IDH (2007) | ▲ 0,761 (moyen) faha 79[3] | |||||
Sandam-bola | Dinara Aljeriana (DZD )
| |||||
Faritr'ora | UTC +1 | |||||
Hiram-pirenena | Kassaman | |||||
Valan-tsehatra internet | ||||||
Antso an-tariby |
+213
|
I Aljeria na Alzeria dia firenena any Afrika Avaratra, ao amin' ny faritra atao hoe Maghreb. Ny renivohiny dia i Alger, any amin' ny tapany avaratra amin' i Aljeria, eo amin' ny morontsiraka Mediteraneanina. Manana velaran-tany mirefy 2 381 741 km² i Aljeria. Izy no firenena ngeza indrindra manana morontsiraka amin' ny Ranomasina Mediteranea ary izy ihany koa no firenena ngeza indrindra aty Afrika ao aorian' i Sodàna. Mizara sisintany amin' i Tonizia sy Libia izy any atsinanana, amin' i Maly sy Nizera any atsimo, ary amin' i Marôka sy Maoritania any andrefana izy. Atao hoe Aljeriana na Alzeriana ny vahoakan' io firenena io.
Mpikambana ao amin' ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikana ary ny Liga arabo (frantsay: Ligue des États Arabes (arabo: جامعة الدول العربية / Jāmiʿat ad-duwal al-ʿarabiyya; anglisy: League of Arab States) izy tamin' ny 1962, daty nahazoany ny fahaleovantenany, hatramin' izao. Niditra tamin' ny fikambanan' ny firenena manondrana solitany (anglisy: Organization of the Petroleum Exporting Countries -- OPEC; frantsay: Organisation des pays exportateurs de pétrole -- OPEP) izy tamin' ny 1969. Nandray anjara i Aljeria tamin' ny famoronana ny Firaisan' i Magreba Arabo (UMA) tamin' ny 1989.
Ny lalàm-panorenana aljerianina dia manao hoe "ny Silamo, ny maha-Arabo ary ny maha-Amazigta" dia anisan' ny "fototry" ny maha-Aljerianina ny mponina, ary milaza koa ny lalàm-panorenana fa ny firenena dia "tanin' ny Silamo, ao amin' i Magreba Lehibe, Mediteraneanina ary Afrikanina".