Andriamanitra ao amin' ny kristianisma

Andriamanitra, araka ny finoana kristiana, dia ilay Andriamanitra tokana resahina aoamin' ny Baiboly. Nandova ny fiveheverana sasany ao amin' ny jodaisma ny kristianisma noho izy nampiasa ny boky masin' ny jodaisma, dia ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly. Nisy fiovany izany fiheverana izany taorian' ny niainan' i Jesoa Kristy teto an-tany izay ataon' ny Kristiana fa zanak' Andriamanitra tonga nofo sady ilay Mesia resahin' ireo mpaminany sady nadrasana hatramin' izay. Niteraka fikorontanan' ny finoana an' Andriamanitra tokana, araka ny ampianarin' ny jodaisma, izany fivoasana vaovao ny Soratra Masina izany, izay tsy ny Testamenta Taloha ihany fa ny Testamenta Vaovao koa sy ny boky sasany atao hoe apôkrifa na pseodepigrafa.


Developed by StudentB