Anjara asa (fitsipiteny)

Ny anjara asa dia karazam-pifandraisana sy fifampiakinana misy eo amin' ny teny na andian-teny sy ny teny na andian-teny fototra mikambana ao amin' ny andian-teny lehibe kokoa (izay mety ho tarika na fehezankevitra na fehezanteny). Ireto ny anjara asa mateti-pitranga ao amin' ny fehezanteny: ny entimilaza sy ny lazaina ary ny fameno.

Amin' ny fitsipiteny malagasy, ankoatra ny entimilaza sy lazaina ary ny fameno, dia avahana koa ao amin' ny fehezanteny ny reny lazaina sy ny zana-dazaina, ny reny entimilaza sy ny zanaka entimilaza, ny reny fameno sy ny zana-pameno.


Developed by StudentB