Antitrinitarisma

Ny antitrinitarisma dia ilazana ny fampianarana teo amin' ny teôlôjia kristiana izay mandà ny tenim-pinoana ny amin' Andriamanitra tokana misy persôna telo (ny Trinite), ka manao izay hahitana izay heveriny ho tena fifandraisana eo amin' Andriamanitra (ny Mpamorona, izay efa ekena ao amin' ny lovantsofina hebreo araka ny Testamenta Taloha) sy i Jesoa (izay heverina ho zanak' Andriamanitra ao amin' ny lovantsofina kristiana araka ny Testamenta Vaovao) sy ny Fanahy Masina.

Ny fomba fijery tsy trinitariana dia miavaka amin' ny an' ny fiangonana trinitariana raha ny amin' ny fomban' Andriamanitra sy ny an' i Jesoa ary ny an' ny Fanahy Masina. Maro ireo fiheverana tsy trinitariana ka isan' izany ny adôptianisma, ny mônarkianisma, ny sobôrdinatianisma izay nisy talohan' ny foto-pampianarana momba ny Trinite tamin' ny taona 325 sy 381 ary 431, tamin' ny Kônsilin' i Nikea sy ny Kônsilin' i Kônstantinôpôly ary ny Kônsilin' i Efesôsy[1]. Ny katarisma dia namoha indray ny antitrinitarianisma tamin' ny taonjato faha-11 hatramin' ny faha-13, tao amin' ny fikambanana manana firehana onitariana, nandritra ny Fanavaozana prôtestanta, tamin' ny Taonjaton' ny Fahazavana (taonjato faha-18), sy tao amin' ny vondrona niseho nandritra ny Fifohazam-panahy lehibe faharoa (taonjato faha-19).

  1. Von Harnack, Adolf (1894-03-01). "History of Dogma".

Developed by StudentB