Ny aratra dia vokatry ny fisiana sy fihetsehan' ny elekitrôna amin' ny toerana na zavatra iray. Ny aratra no mahatonga ny varatra, ny kianjanaratra, sy ny herinaratra fampiasa andavanandro amin' ny fitaovana toy ny jiro, radiô, milina fikajiana, sns.
Ny aratra dia nanomboka fantatra tamin' ny taonjato faha-17, nahafahana nanomboka ny revôlisiôna ara-taozava-baventy faharoa tamin' ny taonjato faha-19 ny fifehezana ny aratra. Ankehitriny dia hita na aiza na aiza ny aratra any amin' ny firenena mandroso: avy amin' ny loharanon' angôvo (rano sy hafanana, ary voan' atôma), angôvo ampiasaina amin' ny raharaha ao an-trano sy ny asa eny amin' ny taozava-baventy ny aratra amin' izao tontolo izao.