Azia

Ny misy an' i Azia eto amin' izao tontolo izao

I Azia na Asia dia kôntinenta ahitana firenena miisa 46, izay voafaritry ny Ranomasimbe Arktika ao avaratra, ny andilan-dranomasin' i Bering sy ny Ranomasimbe Pasifika ao atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana ao atsimo, ary ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo-atsinanana. Ny efitra manasaraka an' i Azia sy Eorôpa dia nifanarahana fa ny tendrombohitra Oraly (Ural). Raha heverina ho kôntinenta iray i Azia sy i Eorôpa noho izy ireo tany mitohy dia antsoina hoe Eorazia. Manana velarana 43 810 582 km2 i Azia ka izy no be velarana indrindra amin' ny kôntinenta rehetra. Izy koa no be mponina indrindra (4,3 lavitrisa: 60 % amin' ny mponina eran-tany). Ao no ahitana ny tendrombohitra avo indrindra, dia i Everest, izay mahatratra 8 848 m.

Sarin-tanin' i Azia

Mifanjohy mankany Ôseania ny nosy sy ny tamba-nosy ao atsimo-atsinanana: anisan' izany ny vondro-nosy Filipina sy ny vondro-nosy Indônezia (i Somatra sy i Java ary i Solaoesy), i Bôrneô ary i Ginea Vaovao. Ao avaratra atsinanan' i Azia no ahitana ny vondro-nosin' i Japàna sy ny nosy Sakalina. Ao amin' ny Ranomasimbe Indiana no misy ny nosy Srilanka sy ny tamba-nosy madinika toa ny an' i Maldiva sy ny nosy Andamàna sy Nikôbara.


Developed by StudentB