Bokin' ny Genesisy

Voaroaka avy ao amin' ny Paradisa i Adama sy i Eva, sary nataon' i James Jacques Joseph Tissot (1836-1902)

Ny Bokin' ny Genesisy na Bokin' ny Jenezy na Bokin' ny Genesý no boky voalohany ao amin' ny Baiboly. Mitantara ny famoronan' Andriamanitra izao rehetra izao sy i Adama sy i Eva, olombelona voalohany, io boky io. Mitantara koa ny amin' ny safodrano izay vokatry ny fahotana mihoa-pampana nataon' ny taranak' ireo olombelona ireo -- tamin' ny andron' i Nôa -- ilay boky. Tantarainy koa ny amin' ny nampanjarian' Andriamanitra ny fitenin' ny olombelona ho maro ho setrin' ny nanamboaran' izy ireo ny Tilikambon' i Babela. Miresaka momba ny razamben' ny Israelita (patriarka) toa an' i Abrahama sy i Isaka sy i Jakôba ary i Jôsefa koa io boky io. Ny anaran' ity boky ity dia hafohezina amin' ny hoe Genesisy na Jenezy na Genesý.

Milaza ny lovantsofina hatramin' izay fa i Mosesy na Môizy no nanoratra ny Bokin' ny Genesisy, nefa mitsipaka izany ny fikarohana ankehitriny (tantara, arkeôlôjia, famakafakana ny Baiboly).

Anisan' ny Tôrah ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly jiosy dia, fa ao amin' ny Baiboly kristiana kosa io dia anisan' ny Pentateoka. Nosoratana miandalana teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-4 tal. J.K. ity boky ity.

Famoronana ny biby, sary nataon' i  Grão Vasco (1506–11)

Developed by StudentB