Espaina

((es))
((es))
Fanjakan' i Espaina ((mg))
Sainan' Espaina Fanevan' i Espaina
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Plus Ultra
Teny ofisialy Fiteny espaniôla
Renivohitra Madrid
40°26′N 3°42′W / 40.433°N 3.700°W / 40.433; -3.700
Tanàna ngeza indrindra Madrid
Fitondrana sy governemanta
 - mpanjaka
 - filoha ny Governemanta espaniola
Fanjakana
Juan Carlos I
José Luis Rodríguez Zapatero
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 51
504 782 km²
1,04%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 29
46.157.822 mpo.
89,38 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Espaniola
IDH (2005) (mitombo) 0,949 (ambony) 13
Sandam-bola Euro (EUR)
Faritr'ora UTC +1: (CET);
 ; UTC+2: (CEST)
Hiram-pirenena Marcha Real
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+34

I Espaina dia firenena ao Eorôpa Atsimo-Andrefana, anisan' ny firenena mandrafitra ny Saikanosy Iberika miaraka amin' i Pôrtogaly, ao amin' ny tapany atsimo amin i Eorôpa. Ny renivohiny dia i Madrid, ary ireo firenena manodidina azy dia i Frantsa sy i Andôra any avaratra, ary i Pôrtogaly any andrefana. Mamaritra ny sisin-taniny ny Ranomasina Mediteranea izay ahitana ireo nosy Baleares sy ireo nosy Canaries. Manasaraka azy amin' i Frantsa ireo tendrombohtra Pyrenea ary amin' i Afrika ny andilan-dranomasina Gibraltar. Ny 80 %n’ ny sisin-tanin' i Espaina dia morontsiraka. Firenena be tendrombohitra i Espaina. I Espaina no firenena lehibe indrindra ary be mponina indrindra ao amin' ny Saikanosy Iberika. Tamin' ny taona 2009 dia niisa 46 tapitrisa ny mponina tao aminy ka manahatonga azy ho firenena faha-29 be mponina indrindra eo anivon' izao tontolo izao, anisan’ ireo firenena manana mponina kely hakitroka indrindra any Eorôpa anefa i Espaina.

Vahoaka mpamboly sy ny mpiompy ny Espaniôla hatramin' izao. Tamin’ ireo taona 1960 no nampiroborobo ny taozava-baventy any aminy. Nanomboka tamin' ny nidirany tao amin' ny Fianakaviambe ara-Toekarena Eorôpeana (frantsay: Communauté Economique Européenne) tamin' ny taona 1986 no nahitan' ny toekareny fandrosoana lehibe.

Tamin' ny taonjato faha-6 tal. J.K. dia nanani-bohitra tao amin' io tany misy an' i Espaina io ny Iberiana sy ny Tselta. Faritany rômana i Espaina taty aoriana hatramin' ny taonjato faha-5 taor. J.K., avy eo nobodoin' ny Visigôty sy ny Maoro miozolmana. Nanao izay hahazoana an’ i Espaina indray ireo mpanjaka kristiana nanomboka tamin’ ny taonjato faha-8 ka tsy azo izy raha tsy tamin 'ny taonjato faha-19: izany no atao amin' ny teny espaniôla hoe Reconquista. Nahatratra ny fara tampon’ ny famifrapiratany i Espaina tamin’ ny tanjato faha-16; izany no atao hoe "Taonjato volamena espaniôla". Taorian’ ny nahitan’ i Christophe Colomb an’ i Amerika tamin’ ny taona 1492 dia nanjakazaka amin’ ny ampahany be amin’ izao tontolo izao, indrindra fa tamin’ i Amerika Atsimo sy Afovoany, i Espaina. Taonjato iray taorian’ izany no nampitontongana ny lazan’ i Espaina. Tamin’ ny taona 1873 no nanambaràna voalohany ny fitsanganan’ ny repoblika (Repoblika voalohany) nefa tafaverina indray ny fanjakà-mpanjaka iray taona taorian’ io. Tamin’ ny taona 1931 dia nambara indray ny fitsangann’ ny repoblika (Repoblika faharoa). Nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ ny taona 1936 izay nitondra ny jeneraly Franco teo amin’ ny fitondrana. Nipoaka ny ady an-trano, nifanandrinan’ ny miaramila sy ny mpomba ny Repoblika, izay tsy nifarana raha tsy tamin’ ny taona 1939. Ny fandresen’ ireo mpandala tanindrazana no nahafahan’ i Francisco Franco nametraka fitondrana jadona izay naharitra hatramin’ ny nahafatesany tamin’ ny taona 1975. Tafaverina indray ny demôkrasia.

Firena entin' ny mpanjaka i Espaina nefa izany fanjakà-mpanjaka izany dia fehezin-dlàm-panorenana. Hery mpanjanaka faharoa tranainy indrindra aorian' i Pôrtogaly i Espaina. Ary ny ny fiteniny, noho izy hery mpanjanaka tranainy, dia anisan' ny fiteny be mpiteny indrindra eto an-tany.


Developed by StudentB