Evanjelisma

Ny evanjelisma na evanjelikalisma na fiangonana ara-pilazantsara dia hetsika kristiana milaza fa ny Filazantsara (na Evanjely) no hany fototra sy filamatry ny finoany. Niforona nanomboka tamin' ny Fanavaozam-piangonana prôtestanta (taonjato faha-16) io hetsika io ka nitombo tanjaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 tamin' ny nipoiran' ny metôdisma britanika sy ny pietisma loterana. Ahita azy ny antokom-pinoana maro amin' ny prôtestantisma[1]. Isan' ny matanjaka ao amin' ireo fiangonana evanjelika ireo ny batisma, ny pentekôtisma, ny hetsika karismatika evanjelika, ny hetsika karismatika vaovao (na pentekôtisma vaovao) ary ny kristianisma avanjelika tsy miankina maro. Fiangonana evanjelika na Fiangonana ara-pilazantsara no iantsoana ireo fiangonana ireo[2]. Ny evanjelisma dia atao hoe koa kristianisma evanjelika na prôtestantisma evanjelika na evanjelikalisma. Ny teny hoe evanjelika dia azo soloana amin' ny hoe ara-pilazantsara amin' ny teny malagasy.

  1. Christianity report Archived Aogositra 5, 2013 at the Wayback Machine [tahiry].
  2. Christianity: A Report on the Size and Distribution of the World's Christian Population Archived Aogositra 5, 2013 at the Wayback Machine [tahiry], Pew Forum, 19 décembre 2011, p. 17.

Developed by StudentB