Ny fanandroana dia fandalinana sy fampiharana ara-pinoana ny fifandraisan' ny zava-mitranga eto an-tany amin' ny toerana misy ny zava-mitsingevana eny amin' ny lanitra toy ny Masoandro sy ny Volana ary ny kintana sy zavatra hafa koa. Milaza ny mpanandro fa ny toerana misy ireo zavatra ireo amin' ny fotoana ahaterahan' ny olona iray sy ny fifindran-toeran' ireo zavatra ireo dia ahafaha-mamantatra ny toetran' io olona io sady ahafaha-mamantatra mialoha ny hoaviny.