Ny Arsakida na Asasida dia fianakavia-mpanjaka manam-piaviana partiana nitondra an' i Persia na Iràna. Tsy i Partia ihany no notapahiny fa i Mesôpôtamia sy i Persida ary i Persia koa, teo anelanelan' ny taonjato faha-3 tal. J.K. hatramin' ny taonjato faha-3 taor. J.K. Naorin' i Arsaka I tamin' ny taona 250 tal. J.K. izany fanjakana izany ka nanapaka hatramin' io taona io ka hatramin' ny taona 224 taor. J.K. ary ny Sasanida no nisolo azy ireo avy eo. Ny mpanjaka arsakida farany nanapaka an' i Partia dia i Artabàna V, izay resin' i Ardasira I zanak' i Papàka. Nisy taranaky ny Arsakida izay nanapaka an' i Armenia hatramin' ny taona 428 taor. J.K.