Ny fanjanahantany dia fibodoana sy fitrandrahana ny tany sy ny olona ao amin' ny firenena iray ataon' ny firenena vahiny izay lasa iankinan' io voalohany io amin' ny lafiny ara-pôlitika sy ara-toekarena sady mahatonga azy tsy hanana fahaleovantena. Anisan' ny zavatra niseho ara-tantara mamaritra ny vanimpotoana ankehitriny ny fanjanahantany. Tsara ny manamarika fa na dia nisy ny fiankinan-dohan' ny vahoaka iray amin' ny firenena hafa tamin' ny faritra maro teto amin' izao tontolo izao sy tamin' ny vanimpotona samihafa, dia tsy niseho ny tena fanjanahantany raha tsy tamin' ny alalan' ny firenena eorôpeana tandrefana. Na dia amin' izao fotoana ilazana ny fahafoanan' ny fanjanahantany izao dia mbola tsapa ny vokatry ny fanjanahantany amin' ny fiainana ara-pôlitikan' ny firenena maro voazanaka taloha sady mbola am-bentin-tenin' ny maro ny fisian' ny toe-tsaina mpanjanaka ananan' ny firenen-dehibe sasany sy ny toe-tsaim-boazanaka ananan' ny firenena madinika maro.