Fianakaviam-piteny

Sarintany maneho ny faritra itenena indrindra ny fianakaviam-piteny eto amin' izao tontolo izao

Ny fianakaviam-piteny dia vondrom-piteny iray fiaviana izay nivoatra tamin' ny alalan' ny fampitan' ny taranaka mifandimbin' ny mpiteny azy avy amin' ny razam-piteny iraisana. Ny hoe fianakaviam-piteny dia andian-teny ampitahana ny fivoaran' ny fiteny amin' ny fivoaran' ny zavamananaaina, araka ny môdelin' ny fitaranahana. Ny fananganana izany fihavananan' ny fiteny izany no ivon' ny fikarohan' ny haiteny ara-tantara. Ny ankamaroan' ny fiteny eto amin' izao tontolo izao dia azo avondrona anaty fianakaviam-piteny. Araka ny fampitahana azy ireo amin' ny hazo dia atao hoe sampam-piteny ny vokatry ny fizaràna ny fianakaviam-piteny. Ny fiteny izay tsy fanta-piaviana dia atao hoe fiteny manirery.


Developed by StudentB