Ny filazantsara na evanjely na vaovao mahafaly dia lahatsoratra amin' ny teny grika izay mitantara ny fiainana sy ny fampianaran' i Jesosy na Jesoa. Filazantsara maro no niely nandritra ny taonjato voalohany teo amin' ny kristianisma. Nadika avy amin' ny teny grika hoe εὐαγγέλιον / euangélion io teny io.
Efatra amin' ireo filazantsara maro dia maro ireo no neken' ny Fiangonana kristianina ho kanônika: dia ny Filazantsara araka an' i Matio, araka an' i Marka, araka an' i Lioka ary araka an' i Joany na Jaona. Izy ireo no ampahany lava indrindra amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana, izay natao hizaràna amin' ny olona rehetra ny momba ny Fanjakan' Andriamanitra sy i Jesoa Kristy. Mamaky sy mihaino ny Filazantsara ny Kristiana satria mino fa hahazo fanampiana amin' ny fiainany manontolo ary hifandray amin' ny Mpahary sy ny voary. Atao hoe Evanjelista na Evanjelistra ny mpanoratra ny Evanjely. Amin' ny heviny mivelatra dia ilazana ny Testamenta Vaovao ihany koa ny teny hoe filazantsara na vaovao mahafaly na evanjely. Ny filazantsara hafa izay tsy nekena dia atao hoe filazantsara apôkrifa na evanjely apôkrifa.