Ny fiteny italika dia vondrom-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana izay mizara ho sampana roa, dia ireo fiteny latinô-faliska (na fiteny latiniana) sy ireo fiteny ôskô-ômbriana (na fiteny sabelika). Matetika mifandray amin' ny fiteny italika ny fiteny venetiana sy ny fiteny sikola na sikoliana. Ny fiteny italika dia nahazo io anarany io avy amin' ny anaran' ny faritra nitenenana azy ireo: i Italia. Ny vahoaka miteny ireo fiteny ireo dia antsoina hoe Italika.
Ny fiteny italika manan-danja indrindra ara-tantara dia ny fiteny latina, izay fiteny tao Latiôma sy tao Rôma taloha izay lasa fiteny tao amin' ny Empira Rômana, ary ny fivoarany no niteraka ny vondrom-piteny rômana. Vasolon' ny fiteny latina ny fiteny italika hafa rehetra ka lany tamingana tsy namela taranaka ankehitriny.