Fiteny malagasy | |
Isan'ny mpiteny | 25 tapitrisa (teny nibeazana)[1] |
Faritany | Madagasikara |
Sata | Ofisialy any Madagasikara (miaraka amin'ny teny frantsay) |
Mpandamina | Akademia Malagasy |
Kaodim-piteny | mg, mlg[3] |
Soratra | latina |
Ny fiteny malagasy dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny baritô, anisan' ny fiteny aostrôneziana sy fitohizam-pitenim-paritra ampiasaina indrindra eto Madagasikara. Ny karazany mahazatra, antsoina hoe "malagasy ôfisialy", no fiteny ôfisialin' ny Repoblikan' i Madagasikara, miaraka amin' ny fiteny frantsay. Ny fiteny malagasy no fiteny malaiô-pôlineziana andrefana indrindra, fitenin' ny mponina eto Madagasikara nanomboka tamin' ny fiorenam-ponenan' ny Aostrôneziana avy any amin' ny Nosy Sunda (eo amin' ny 7 300 km any ho any) tamn'ny manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. Anisan' ny fiteny baritô ny fiteny malagasy ary mifandray akaiky indrindra amin' ny fiteny maaniany, izay mbola ampiasaina any Borneo. Ahitana teny indrana avy amin' ny fiteny maley maro koa ny fiteny malagasy[4], nanomboka tamin' ny fiorenam-ponenan' ny Aostrôneziana sy ny varotra teo amin' i Madagasikara sy ireo Nosy Sunda[5]. Taorian' ny taona 1000 taor. J.K. dia nampiditra teny banto sy teny arabo maro, nentin' ny mpivarotra sy mpifindra monina vaovao, ny fiteny malagasy.
Manodidina ny 29 tapitrisa ny olona miteny malagasy eto Madagasikara sy ao Kômôro. Ny ankabeazan' ny mponina eto Madagasikara dia manao an' io fiteny io ho fiteny voalohany, toy ny ataon' ny sasany amin' ny taranaky ny Malagasy any amin' ny toeran-kafa. Mizarazara ho fitenim-paritra roa ambin' ny folo ny fiteny malagasy, izay azo avondrona amina sokajim-pitenim-paritra roa lehibe: fitenim-paritra tatsinanana sy fitenim-paritra tandrefana. Miteny amin' ny fitenim-paritra merina ny mponina ao amin' ny tany avo afovoan' ny Nosy, izay misy an' Antananarivo renivohitra sy nisy ny Fanjakana Merina taloha. Ny fitenim-paritra merina no fototry ny fiteny malagasy ampiasain' ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny haino aman-jery eto Madagasikara. Io fiteny malagasy manara-penitra io no iray amin' ny fiteny ôfisialy roan' i Madagasikara, miaraka amin' ny fiteny frantsay, araka ny lalàm-panorenan' ny Repoblika fahefatr' i Madagasikara tamin' ny taona 2010.
Soratana amin' ny tarehin-tsoratra latina nampidirin' ny misiônera tandrefana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19 ny fiteny malagasy. Talohan' izany dia nampiasaina ny Sorabe izay fampifanarahana ny abidy arabo amin' ny fiteny malagasy.
Araka ny antontanisan' ny Akademia malagasy dia ny 83,61 % dia tsy miteny afatsy amin' ny fiteny malagasy[6].