Hetsika karismatika evanjelika

Ny hetsika karismatika evanjelika na hetsika karismatika ara-pilazantsara dia firehan' ny kristianisma evanjelika (na evanjelisma) izay manandratra avo ny fanomezan' ny Fanahy Masina. Nanomboka tao Etazonia tamin' ny taona 1960 ity "onja faharoa" ity ka nisy akony tao amin' ny fiangonana rehetra na prôtestanta na katôlika na evanjelika ary nandray anjara tamin' ny fiforonan' ny fiangonana evanjelika tsy miankina maro. Miavaka amin' ny pentekôtisma io hetsika io noho izy tsy manao ny fiteny tsy fantatra ho hany porofon' ny batisan' ny Fanahy Masina izay nambaran' i Jesoa mialoha, sady manome toerana lehibe ny fahasamihafan' ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina.


Developed by StudentB