Imam

Imam tao Ndiawar (Senegaly), tamin' ny taona 2007.

Ny imam dia ilay olona mitarika ny vavaka iombonana ao amin' ny môske isaky ny andro Zoma ataon' ny mpino silamo. Izany olona izany dia tsaratsara kokoa raha nahita fianarana momba ny fombafomba sy ny fanao isan' andro ao amin' ny fivavahana silamo. Atao hoe إمام / imām izany amin' ny teny arabo fa امام / emām kosa amin' ny teny persana, izay samy midika hoe "mpitari-dalana", "mpialoha lalana". Samy manana ny fiheverany ny imam ny sampana maro ao amin' ny fivavahana silamo.


Developed by StudentB