Ny jono na ny fanjonoana dia asa fisambotana ny biby mivelona anaty rano toy ny trondro, ny patsa, ny makamba, ny horita, sns. izay alaina avy ao amin' ny toerana ivelomany (ranomasina, renirano, kamory, farihy, honahona, sns). Ny mpanjono no manao izany asa izany ho fialam-boly na asa fivelomana.