Kalifa

Ny kalifa dia mpandimby sy solontenan' ny mpaminany Mohamady eo amin' ny fitarihana ny fianakaviambe silamo manontolo, nefa tsy manana ny sata maha-mpaminany. Kalifata no iantsoana ny fitondrana mozilmana entin' ny kalifa. Indraindray dia adika hoe "mpandimby" ny teny hoe "kalifa". Ny hampihatra ny fahefana eo amin' ny fiarahamonin' ny mpino araka ny môdely sy ny ohatra nomen' i Mohamady no iraka ampanaovina azy. Amin' ny Tandrefana dia heverina ho manana laharana mitovy amin' ny emperora ny kalifa, na dia samy hafa be aza ny fehefana sy ny tombontsoa ara-pôlitika ananan' izy ireo.

Avy amin' ny teny arabo hoe خَلِيفَة / khalîfa, izay midika ara-bakiteny hoe "mpandimby" (izany hoe "mpandimby ny mpaminany Mohamady") ny teny hoe "kalifa", teny avy amin' ny matoanteny arabo hoe خَلَفَ / khalafa izay  midika hoe "mandimby".

Ny mihazona ny firaisan' ny finoana silamo no andraikitry ny kalifa, ary ny Mozilmana rehetra dia tokony hankatò azy: izy no mpitarika ny Umma (arabo: أمة), izany hoe ny fianakaviamben' ny Mozilmana manontolo maneran-tany. Izy no mitondra ny anaram-boninahitra hoe أمير المؤمنين / Amīr al-mu‘minīn, (ara-bakiteny: "Andriandahin' ny mpino"), anaram-boninahitra nofoanana tao amin' ny Siita taorian' ny nahafatesan' i Ali. Amin' izao fotoana izao dia mbola mitondra ny anaram-boninahitra hoe Amīr al-mu‘minīn ny mpanjakan' i Marôka.

Tsy mitovy ny fepetra ifidiana ny olona hatao hoe kalifa ho an' ny Siita sy ho an' ny Sonita: ho an' ny Sonita, ny anjara andraikitry ny kalifa dia miankina amin' ny fifidianana; mifanohitra amin' izany kosa ny fiheveran' ny Siita: raha tsy maintsy hofidiana ny kalifa, dia tsy maintsy fidinana araka ny foto-kevitry ny rafi-pitantanana ara-panahy sy ara-pôlitika ataon' ny imam. Ny olona afaka atao kalifa amin' izao fotoana izao sady tokana, amin' ny Siita mino ny fisian' ny "Imam roa ambin' ny folo", dia tsy iza izany fa i Muhammad al-Mahdi, izay nafenina (غَيْبَة /ghayba) nanomboka tamin' ny taona 939 ary tsy iza fa ny Mahdi. Tsy manaiky ny fisian' ny kalifa intsony ny Ibadita nanomboka tamin' ny taona 657.


Developed by StudentB