Ny mpaminany dia olona manana fahafahana hamantatra ny zava-kitranga amin' ny hoavy amin' ny alalan' ny tsindrimandry ka manambara izany mialoha amin' ny alalan' ny teny ampitainy mivantana na ny soratra ataony. Ao amin' ny Baiboly dia tsy ny fahalalana ny hoavy fotsiny no iandraiketan' ny mpaminany fa ny fitenenana amin' ny anaran' Andriamanitra hampita ny hafany ka mety hitsikera ny zava-dratsy misy eo amin' ny fiarahamonina sy ny fivavahana ary ny fitondram-panjakana mba hanarenana izany amin' ny alalan' ny fanambaràny koa ny tokony hatao. Ny mpaminanin' ny fivavahana iray anefa dia mety hampangain' ny fivavahana hafa mifanohitra aminy ho mpaminany sandoka.
Amin' ny ankapobeny dia tsy mitovy amin' ny ombiasa ny mpaminany noho izy tsy milaza fa tsy azo ihodivirana ny zavatra avoakan' ny faminaniany. Miteny ny mpaminany mba hampiova fomba fijery sy famindra ireo izay mihaino azy sady tsy amin' ny alalan' ny fanambaràna ny hevitry ny famantarana azo tsapain-tanana (karatra filalaovana, fomba fanidin' ny vorona, fanaovana antsapaka, fahamamoana, vinany sns.) no anaovany izany.
Hetsehin' Andriamanitra sady miasa amin' ny anaran' Andriamanitra ny mpaminany ka mety hifanohitra amin' ny hevitry ny mpiara-belona aminy izy noho izany. Indraindray dia mety hoheverin' ny olona ho mpanohitra ny fahefam-panjakana misy izy.
Amin' ny ankapobeny dia atao hoe mpaminany ny olona rehetra izay manao fanambaràna mialoha ny zavatra hiseho izay heverin' ny olona anambaràny izany fa tsy azon-tsaina mialoha.