Nebokadnetsara II

Ampahany amin' ilay antsoina hoe "Tsangambaton' ny Tilikambon' i Babela", mampiseho an' i Nebokadnetsara II eo ankavanana ary misy sarin' ny ziggurat tao Babilôna (ilay atao hoe Etemenanki) eo ankaviany

I Nebokadnetsara II na Nebokadnezara II na Nabokôdônôzôra II dia mpanjakan' i Babilôna tanelanelan' ny taona 605 sy 562 tal. J.K. Nitarika ny tafika babilôniana izy rehefa hifarana ny fitondran' i Nabopôlasara rainy ka tamin' ny taona 605 dia resiny tao Karkemisa ao Siria ny Egiptiana. Nanafika matetika niankandrefana tany Siria sy Palestina sy Egipta ary Arabia izy. Resiny ny tafik' i Jodà tamin' ny taona 597 tal. J.K. ka azony i Jerosalema ary nentiny ho babo any Babilôna ny mpanjaka Jôiakima sy ny vahoakany maro koa. Nisy ny fikomiana nanohitra azy tao amin' ny Fanjakan' i Jodà tamin' ny taona 599-587 tal. J.K. ka famaizana mahatsiravina no nasetrin' izany izay nanaovany sesitany Jiosy maro indray tany Babilôna. Nataony fahirano mandritra ny 13 taona ny tananan' i Tiro any Foinikia ary nanafika an' i Egipta koa izy tamin’ ny taona 568 tal J.K. Maty tamin' ny taona 562 tal J.K. i Nebokadnetsara ka i Avela-Mardoka (na Amela-Merodaka) no nandimby azy.


Developed by StudentB