Paris
| |||
Velarantany | NC | ||
Isam-ponina | 2,181,371 mponina | ||
Tanànan-dehibe | 11,174,740 | ||
Ben'ny tanàna | Anne Hidalgo | ||
Firenena | Frantsa | ||
Faritany | Île-de-France | ||
Faritra | NC |
I Paris, izay indraindray ataon' ny mpanoratra amin' ny teny malagasy hoe Parisy, dia tanàna renivohitr' i Frantsa. Izy no tanàna ngeza indrindra any Frantsa, izy no renivohitr' i Île-de-France, ary Paris intra-muros irery no Commune-Departement any Frantsa. Eo amin' ny vondro-milefaka voalohany indrindra ny la Seine i Paris, eo ampovoan' ny Bassin Parisien, any aniràny no misy ny vinanin-drano anelanelan' i Marne sy i Seine. Any anavàn' i Paris no misy an' i Oise. Parizianina ny anaran' ny olona mipetraka any Paris.
Tamin' ny taonjato faha-17 i Paris no renivohitry ny fahefana eorôpeana voalohany, tamin' ny taonjato faha-18 izy no renivohitra ara-kolontsain' i Eorôpa ary tamin' ny taonjato faha-19 izy no renivohitra ny taozavatra sy ny fahafaliana. Tamin' ny taona 2008, raha isaina daholo ny trano ipetrahana rehetra, dia 28 tapitrisa ny isan' ny mpandendeha tao Paris, araka ny lazain' ny Office de Tourisme sy ny Kongresin' ny renivohitra frantsay. I Paris no renivohitra ara-toekarenan' i Frantsa.