I Prosia tany am-boalohany dia faritr' i Eorôpa Avaratra-Atsinanana, izay ampahany nandray ny kolontsaina alemàna teo ambany fifehezan' ny Mpitaingin-tsoavany Teotônika, saingy tany ivelan' ny Empira Masina Rômana Jermanika. Nanjary fananan' ny sampana iray amin' ny Hohenzollerns (fianakaviana mpanjaka sy emperora tany Eorôpa) i Prosia tamin' ny taonjato faha-16, avy eo dia tafaray indray tamin' ny Fanjakan' i Brandenburg (faritr' i Berlin) tamin' ny taonjato faha-17. Atao hoe Prusse izy amin' ny teny frantsay, Prussia amin' ny teny anglisy, fa Preußen (vakina hoe /ˈpʁɔɪ̯sn̩/) kosa amin' ny teny alemàna.
I Prosia dia singa nanan-danja tao amin' ny Fanjakan' i Prossia tamin' ny taona 1701 ka hatramin' ny 1871, nampidirina tao amin' ny Empira Alemana nanomboka tamin' ny taona 1871 (Reich Alemana Faharoa). Tamin' izany, i Prosia tamin' ny endriny tam-boalohany dia mifanandrify amin' ny Faritanin' i Prosia Atsinanana, indrindra taorian' ny Ady Lehibe Voalohany, rehefa lasa nitoka-monina tamin' ny faritra hafa rehetra any Alemaina.
Ny maha fananany an' i Prosia no nahafahan' ireo mpifidy tao Brandenburg nahazo ny anaram-boninahitra "mpanjaka" tamin' ny taonjato faha-18, voalohany "mpanjaka any Prosia" tany Königsberg (izany hoe ivelan' ny Empira), avy eo "mpanjakan' i Prosia" (anisan' izany ny tao Berlin).
Taorian' ny fahaverezan' ny faritra manan-tantaran' ny Fanjakan' i Prosia, izay nifanjaran' i Pôlônina sy i Rosia ary i Litoania, dia nitsahatra tsy nampiasaina any Alemaina intsony taorian' ny Ady Lehibe Faharoa, afa-tsy amin' ny resaka tantara, ny anarana hoe Prosia (Preußen).
Tsy manana fisiana ara-dalàna na ara-pôlitika intsony i Prosia ankehitriny; noho izany dia azo heverina ho fanjakana rava, satria ny fari-taniny teo aloha dia voatsinjara eo amin' ny governemantan' ny Länder alemana samihafa, ary ny ampahany lehibe dia lasan' i Pôlônina, tsy hadino ny faritra Königsberg, izay lasa tany mitokamonina sôvietika, avy eo rosiana, izay antsoina hoe Kaliningrad.