Ny Ranomasimbe Pasifika, na Ôseana Pasifika, izay manana velarana 166 241 700 km², dia ranomasimbe be velarana indrindra eto an-tany. Mamaritra an' i Ôseania sy nosy sy tamba-nosy sasantsasany an' i Azia (Japàna, Filipina, Insolindia) izy. Voarafaritr' i Azia, i Aostralia, i Amerika sy ny Ranomasimbe Atsimo izy. Eo amin' ny laharam-pehintany faha-60 ny fisarahany amin' ny Ranomasimbe Atsimo. Sarahan' ny laharan-jarahasina faha-180 ny atsinanana sy ny andrefana amin' ny Ranomasimbe Pasifika.