Sampam-piteny jermanika

Faritra misy ny mpiteny jermanika

Ny fiteny jermanika dia sampan' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana izay teraky ny fiteny prôtô-jermanika. Ny vahoaka jermanika, izay nonina tao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' ny Empira Rômana taloha, no miteny azy hatramin' izay nisiany. Maro ny zavatra iombonan' ireo fiteny jermanika ireo ka anisan' izany ny fiovam-panonona ny renifeo araka ny fikarohan' i Grim sy Verner; ao koa ny voambolana izay ahitana fototeny tsy indô-eorôpeana.

Ny fiteny jermanika be mpiteny indrindra dia ireo ao amin' ny sampana andrefana, dia ny fiteny anglisy sy ny fiteny alemàna sy ny fiteny neerlandey ary ny fiteny skandinaviana toy ny fiteny soedoà sy danoà ary nôrveziana.


Developed by StudentB