Ny Semita na Vahoaka Semitika dia ireo vahoaka rehetra miteny semitika, ka amin' ireo vahoaka tamin' ny Andro Taloha dia isan' ny Semita ny Arameana sy ny Arabo ary ny Kanaanita na Kananeana (isan' ireo ny Hebreo). Tamin' ny voalohany dia ny vahoaka lazaina ao amin' ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly fa taranak' i Sema, zanaka lahy voalohan' i Noa (Gen. 10.21-32) no Semita. Lazaina fa ny Semita no namorona ny abidy voalohany. Tao aminy koa no nandrosoan' ny fivavahana telo lehibe abrahamika, dia ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny finoana silamo.
Ny faritra niavian' ny Semita dia tsy fantatra. Misy ny milaza fa avy any Azia Atsimo-Atsinanana izy ireo, misy koa ny milaza fa avy any Arabia izy ireo. Ny arkeôlôjia dia maneho fa niparitaka manerana an' i Mesôpôtamia ny vahoaka miteny semitika alohan' ny hanorenany kolontsaina an-tanàn-dehibe tao amin' io faritra io. Nanomboka tamin' ny fotoana talohan' ny tantara dia nanao andiany maro nifanesy ireo vahoaka mpifindrafindra monina semita ireo ka namakivaky ny tany efitra any Atsinanana hankany amin' ny Volan-tsina-Mahavokatra. Ankehitriny dia mivangongo ao Afovoany Atsinanana sy ao Afrika Avaratra ary ao amin' ny Tandrok' i Afrika ny Semita, indrindra fa ny Arabo. Nisy akony tany Eorôpa sy any Amerika anefa izy ireo tamin' ny alalan' ny Jiosy am-pielezana, hatrany atsimon' i Sahara sy ao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana tamin' ny alalan' ny Arabo.