Senegaly

Sainan' i Senegaly
Toerana misy an' i Senegaly eto amin' izao tontlo izao
Sarin-tanin' i Senegaly

I Senegaly dia firenena ao Afrika Andrefana, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velarana mirefy 196 722 km². I Dakar no renivohiny. Manodidina tanteraka an' i Gambia i Senegaly. Iva ny tanin' i Senegaly, izay vakivakin' ny ony Sénégal (mirefy 1 600 km, manasaraka azy amin' i Maoritania ao avaratra) sy ny ony Gambia (ao atsimo).

Ny tapany avaratr' i Senegaly dia ao amin' ny faritr' i Sahel, izay rakotra hivoka anirian-kazo madinika, ny tapany atsimo kosa dia rakotra alan-jana-pehin-tany mikitroka sy mando. Manana toetanin-jana-pehin-tany i Senegaly. Atao hore Senegaley ny vahoakan' io firenena io.

Ahitana vondrom-poko maro ny vahoaka senegaley, ka ny lehibe aminy dia ny Vôlôfo, ny Folany ary ny Malinke. Ny fivavahana silamo no fivavahan' ny vahoaka maro anisa any.

Miopana amin' ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Senegaly, indrindra ny fambolena voanjo. Anisan' ny asa fiveloman' ny maro any koa ny jono. Monina a-morontsiraka ny ankamaroan' ny mponina, indrindra any amin' ny faritra afovoany misy fambolena voanjo. Anisan' ny olana eo amin' ny fambolena ny haintany. Mampandroso ny fambolena voatabia sy vary ary fary koa ny any Senegaly. Mandroso koa ny sehatry ny fizahàn-tany.

Zanatany frantsay taloha i Senegaly izay nahazo ny fahaleova-tenany tamin' ny taona 1960. Ny fiteny frantsay, ny fiteny oôlôfo, ny fiteny serere, ny fiteny mande ary ny fiteny folany no fiteny ôfisialin' i Senegaly.


Developed by StudentB