Siddhartha Gautama

I Siddhartha Gautama

I Siddhartha Gautama, izay fantatra amin' ny anarana hoe Shakyamuni ("olon-kendrin' ny Śākya") na ilay Buddha ("Ilay Nifoha”), dia filôzôfy indiana sy mpitarika ara-panahy niaina tamin' ny taonjato fah-6 tal. J.K. na tamin' ny taonjato faha-5 tal. J.K., mpanorina ara-tantara ny vondrona moanina mpirenireny izay niteraka ny bodisma.

Teraka tao Lumbinî, any Nepaly ankehitriny izy, teny amin' ny lalana mankany Kapilavastu, renivohitry ny fokom-pfianakaviany, any Terai Nepaley ankehitriny, terak' i Māyādevī sy i Śuddhodana, mpanjakan' ny Śākya izay anisan' ny sarangam-pokon' ny Kṣatriya mpiady, ary navitrika tany amin' ny Fanjakan' i Kosala sy tany amin' ny Fanjakan' i Magadha any amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i India ankehitriny.

Teo amin' ny valopolo taona teo ho eo no niainany, saingy tsy mifanaraka momba ny daty tena niainany ny lovantsofina maro, izay ataon' ny fikarohana ankehitriny fa any aoriana kokoa: manodidina ny taona 623-543 tal. J.K. araka ny lovantsofna teravada, manodidina ny taona 563-483 tal. J.K. araka ny ankamaroan' ny manam-pahaizana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20, maro tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21 no mihevitra ny parinirvāṇa (fahafatesan' ny Buddha) eo anelanelan' ny taona 420 sy 380 tal. J.K.

Ny firehan' ny bodisma rehetra dia mihevitra azy ho ny "buddha madio sy tonga lafatra" (samyaksambuddha) ankehitriny, izay tsy vitan' ny hoe nahatratra ny fifohazana, fa afaka "mampihetsika ny kodiaran' ny Lalàna" sy mampiely ny fampianarana amin' izao tontolo izao. Nampitaina am-bava nandritra ny taonjato telo ka hatramin' ny efatra ny fampianarany, alohan' ny nanoratana azy ao amin' ny Tripitaka (Kanôna paly).

Ny anaram-boninahitry hoe Buddha (amin' ny teny sanskrita: buddha, "mifoha", "mahatsiaro", avy amin' ny fototeny sanskrita hoe budh- , "mifoha") dia nomen' ny mpianany azy taty aoriana. Noho izany dia asiana sora-baventy amin' ny fanoratana nifanarahana, ity anaram-boninahitra ity dia manondro an' i Shakyamuni mba hanavahana azy amin' ny olona hafa antsoina hoe buddha noho ny nihoarany fifanoheran-droa samsara/nirvāna araka ny bodisma mahaiana. Fantatra ihany koa ho tathāgata izy, izany hoe "ilay Tonga toy izany/ilay Tonga/ nandeha toy izany hitory ny Lalàna tsara” (Dharma).


Developed by StudentB