Ny siisma dia sampan' ny finoana silamo izay manaiky fa i Ali sy ny taranany no mpandimby ny mpaminany Mohamady. Ny teny hoe siisma na siita dia avy amin' ny teny arabo hoe شيعة / Shīʿah izay avy amin' ny andian-teny arabo hoe Shīʿatu ʿAlī midika hoe "mpanara-dia an' i Ali".