Sumatra

Sarintany maneho ny toerana misy an' i Sumatra

I Sumatra dia nosy ao amin' ny ampahany andrefana amin' i Indônezia, anisan' ny Vondro-nosy Sunda, ao Azia Atsimo-Atsinanana, sady mipetaka amin' ny fehiben-tany, ao atsimon' ny Saikanosy Maley. Mirefy 473 481 km2, ny velarany, ka nosy fahafito lehibe indrindra eto amin' izao tntolo izao izy noho izany, mihoatra kely ny nosy Papoazia-Ginea-Vaovao sy ny an' i Soeda. Manana halava 1 800 km sy sakany mahatratra 435 km amin' ny faritra sasany izy. Ny andilan-dranomasina Sunda no manasaraka azy amin' ny nosy Java ary ny andilan-dranomasina Melaka (Malacca) no manasaraka azy amin' ny Saikanosy Maley.

Tamin' ny taona 2019 dia nisy mponina miisa 58,5 tapitrisa i Sumatra. Mozilmàna ny ankamaroan' ny mponina ao, nefa ahitana Kristiana sy Bodista ary Hindoista koa ao.


Developed by StudentB