Tailandy

ราชอาณาจักรไทย ((th))
Ratcha Anachak Thai th
Fanjakan'i Tailandy ((mg))
Sainan'i Tailandy Fanevan'i Tailandy
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny ofisialy thai
Renivohitra Bangkok
13° 45′ N, 100° 31′ E
Tanàna lehibe indrindra Bangkok
Fitondrana sy governemanta
 - Mpanjaka
- Praiminisitra
Fanjakana ara-dalam-panorenana
Rama X
Srettha Thavisin
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 49
514 000 km²
0,4 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 20
65 493 298 mpo.
122 mpo./km²


Anaran'ny mponina Tailandey
IDH (2004) 0,784 (antonony) faha 72
Sandam-bola Baht (THB)
Faritr'ora UTC +7
Hiram-pirenena Phleng Chat
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+66

I Tailandy, na Fanjakan' i Tailandy, dia firenena any Azia Atsimo-Atsinanana, izay manana morontsiraka ao amin’ ny Hoalan' i Tailandy sy ao amin' ny Ranomasin' ny Andaman. Ny velaran-taniny dia misy eo amin' ny 514 000 km2 eo ho eo; ary miisa 65 tapitrisa ny mponina ao aminy, araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2008. I Tailandy dia mizara sisintany amin' i Mianmara any andrefany, amin' i Malaizia any atsimo, amin' i Kambôdia any atsinanana ary amin' i Laôsy any avaratra-atsinanana. Ny renivohitr' i Tailandy dia i Bangkok (Krungthep - กรุงเทพฯ, "Tanànan' ny Anjely"). Atao hoe ประเทศไทย, Prathet Thai na ราชอาณาจักรไทย, Ratcha Anachak Thai izy amin' ny fiteny tailandey. Niova anarana ilay fanjakana tamin' ny taona 1949: Siam no anarany taloha.

Ny ampahany avaratra amin’ i Tailandy dia ao amin’ ny Saikanosy Indôsinoa (izay ahitana koa an’ i Laôsy sy i Vietnamy ary i Kambôdia), fa ao amin’ ny Saikanosin' i Malacca kosa ny tapany atsimo. Ny vohon-taniny dia ahitana ny tany lemaka afovoany izay tondrahan’ ny ony Chao Phraya (ony lava indrindra ao amin’ ily firenena), hodidinin’ ny tendrombohitra sy lembalemba maro (isan’ izany ny lembalemban’ i Korat). Manakaiky ny 30 %n’ ny tanin’ i Tailandy no rakotra ala. Toetanin-janapehin-tany mafana sy mando no manjaka any.

Ny mponina any Tailandy (atao hoe Tailandey) dia ahitana indrindra ny Tay (mihoatra ny 75 %), ny Sinoa (15 %), ny Maley, ny Vietnamiana ary ny Kambôdiana. Ny bodisma no fivavahana be mpanaraka indrindra any. Ao amin’ ny faritra afovoany, any ambanivohitra, no onenan’ ny akamaroan’ ny mponina.

Ny fambolena no seha-pamokarana iompanan’ ny toekaren’ i Tailandy ; anisan’ ireo firenena mpamokatra vary betsaka indrindra eto an-tany ity firenena ity. Miroborobo ny taozava-baventy nanomboka tamin’ ireo taona 1980 sy 1990, indrindra noho ny fampiasam-bola nataon’ ny Japôney tao. Mandroso koa ny fanodinana ny vokatry ny fambolena sy ny fanamboarana lamba ary ny fizahàn-tany.

Niorina tamin’ ny taona 1238 ny firenena tailandey. Fanjakà-mpanjaka ara-dalàm-panorenana i Tailandy hatry ny taona 1932. Ny fiteny tailandey no teny ôfisialy any Tailandy ary ny baht no vola ampiasaina any.


Developed by StudentB