Ny Testamenta Vaovao dia fizaràna faharoa ao amin' ny Baiboly kristiana, izay voasoratra taorian' ny nahaterahan' i Jesoa Kristy. Resahiny ny fampianaran' i Jesoa sy ny momba azy, ary ny zava-nitranga mifandray amin' ny kristianisma tamin' ny taonjato voalohany. Antsoina hoe Testamenta Taloha ny fizaràna voalohany amin' ny Baiboly kristiana, izay mifototra indrindra amin' ny Baiboly hebreo (Tanakh); ireo fizaràna roa ireo mitambatra no Soratra Masin' ny Kristiana.
Amin' ny teny grika dia Ἡ Καινὴ Διαθήκη / hê Kainề Diathếkê. Izy no mirakitra ny tantaram-piainan' i Jesoa sy ny fampianarana nataony, araka ny finoan' ny Kristiana, sy ny tantaran' ny fiforonan' ny fiangonana kristiana voalohany. Tamin' ny teny grika kôine no nanoratana azy voalohany. Tsy anisan' ny Baiboly hebreo ny Testamenta Vaovao. Voasoratra tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. ny Testamenta Vaovao, izay fitambarana boky 27 azo sokajina ho efatra: Filazantsara na Evanjely na Vaovao Mahafaly (miisa 4), Asan' ny Apôstôly (miisa 1), Epistily (miisa 21), ary Apôkalipsy (miisa 1).
Fitambarana lahatsoratra kristiana nosoratan' ny mpanoratra samihafa tany am-boalohany tamin' ny fiteny grika kôine, tamin' ny fotoana samihafa, ny Testamenta Vaovao. Na dia misy tsy fitoviana aza ny kanônan' ny Testamenta Taloha eo amin' ny antokom-pinoana kristiana samihafa, dia saika fantatry ny rehetra tao amin' ny kristianisma ny ny kanônan' ny boky 27 ao amin' ny Testamenta Vaovao, fara fahatarany tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha.
Hita ao amin' ny taratasy nosoratan' i Atanasiôsy, evekan' i Aleksandria tamin' ny taonjato faha-4, tamin' ny taona 367 taor JK, ny lisitry feno voalohany indrindradia. Voaray ho kanôna tamin' ny fomba ôfisialy voalohany nandritra ny Kônsily tao Hipôna (taona 393) sy nandritra ny Kônsily tao Kartazy (taona 397) tany Afrika Avaratra, ny Testamenta Vaovao misy boky 27. Nanamafy io kanôna io ihany tamin' ny taona 405 ny papa Inôkentio I, saingy azo inoana fa nisy Kônsily tao Rôma tamin' ny taona 382 teo ambany fitarihan' ny papa Damaso I no nanome lisitra mitovy amin' io ihany tamin' ny voalohany. Nofaritan' ireo kônsily ireo koa ny kanônan' ny Testamenta Taloha, izay nahitana ny boky deoterôkanônika.
Tsy miray hevitra ny manam-pahaizana momba ny daty nanoratana ny lahatsoratra faramparany ao amin' ny Testamenta Vaovao. Nanome ny daty eo alohan' ny taona 70 taor. J.K. ho nanoratana ny bokin' ny Testamenta Vaovao rehetra i John A. T. Robinson sy i Dan Wallace ary i William F. Albright. Manam-pahaizana maro hafa, toa an' i Bart D. Ehrman sy i Stephen L. Harris, no manome daty ny lahatsoratra sasany ao amin' ny Testamenta Vaovao any aoriana lavitra noho io; nanome daty ny Lioka–Asan' ny Apôstôly manodidina ny taona 115 taor. J.K. i Richard Pervo, ary nametraka ny Asan' ny Apôstôly eo anelanekan' ny tapaky ny taonjato faharoa sy ny faramparan' ny taonjato faharoa, miaraka amin' ny nivoahan' ny kanôna voalohan' ny Testamenta Vaovao, i David Trobisch.
Hoy ny The New Oxford Annotated Bible[1]: "Amin' ny ankapobeny dia miombon-kevitra ny manam-pahaizana fa nosoratana efapolo ka hatramin' ny enimpolo taona taorian' ny nahafatesan' i Jesosy ny Filazantsara. Noho izany dia tsy nisy vavolombelona nanatri-maso na fitantarana momba ny fiainan' i Jesosy sy ny fampianarany niaraka amin' izany"[2][3]. Ny ESV Study Bible[4] dia milaza toy izao (ho tohan-kevitra momba ny maha azo itokiana ny filazantsara): Satria nilaza i Lioka, amin' ny maha Kristiana taranaka faharoa azy, fa nandray ny fijoroana ho vavolombelon' ny nanatri-maso (Lioka 1:1-4), ankoatra ny nandehanany lavitra miaraka amin' i Paoly (Asan' ny Apôstôly 16:10-17; manohana ny datin' ny fanoratana manodidina ny taona 62 taor. J.K.), izay nohamafisin' ny Epistily ho an' ny Kôlôsiana nosoratan' i Paoly (Kôl. 4:14), ny Epistily ho an' i Filemôna (Filem. 23–24), ary ny Epistily faharoa ho an' i Timôty (2Tim. 4:11); ny fitantarana ao amin' ny Filazantsaran' i Lioka "dia noraisina satria nahazo fankatoavana sy fahefana avy amin' i Paoly sy satria fitantaran' ny Vaovao Mahafaly mendri-pitokisana notorin' i Paoly" (ohatra Rôm. 2:16, araka ny voalazan' i Eosebiôsy ao amin' ny boky nosoratany hoe Ἐκκλησιαστικὴ Ἱστορία / Ekklēsiastikḕ Historía ("Tantaran' ny Fiangonana" 3.4.8)[5].