Tsindrimandry (fivavahana)

Ny tsindrimandry na fanilovana na teôpneostia dia fomba entin' ny andriamanitra na entin' Andriamanitra na ny fanahy iray mampanao zavatra, indrindra mampita ny hafany amin' ny alalan' ny fampitenenana na ny fampanoratana ny olona izay manatanteraka izany tsy araka ny sitrapony. Fandre io teny io tao amin' ireo fivavahana taloha (tao Egipta sy tao Grisia), na tao amin' ny fivavahana jiosy, ary heno ihany koa ny fampiasana izany ao amin' ny finoana silamo. Ao amin' ny fivavahana kristiana anefa no nandraiketana ny hevitra fonosiny ho foto-pampianarana sy tenim-pinoana ka ilazana fa ny Soratra Masina dia vokatry ny tsindrimandry na fanilovana avy amin' Andriamanitra tamin' ny alalan' ny asan' ny Fanahy Masina. Tsy mitovy anefa ny fandraisan' ny fiangonana tsirairay izany teny izany fa ao ireo mihevitra azy ho toy ny sora-tononina mivantana avy amin' Andriamanitra nefa ao koa ireo izay manaiky ny fandraisana anjaran' ny mpampandry an-tsoratra ny Soratra Masina ka manavaka ny zavatra nentin' ny maha olombelona ilay olona voatsindimandry na voatsilo sy ny hafatr' Andriamanitra ao anatin' izany Soratra Masina izany.


Developed by StudentB