Cộng hoà Xã hội Chủ nghĩa Việt Nam ((vi)) | |||||
Repoblika Sôsialistan' i Vietnamy ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Độc lập, tự do, hạnh phúc (Fahaleovantena, fahafahana, fahasambarana) | |||||
Teny ofisialy | vietnamiana | ||||
Renivohitra | Hanoi 21°2′N, 105°51′E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Hô-Chi-Minh-Ville | ||||
Fitondrana sy governemanta - filoha - Praiministra |
Repoblika Lương Cường Phạm Minh Chính | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 65 331,698 km² 1,3 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2012) - hakitroka |
faha 14 91 519 289 mpo. 253,5 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Vietnamiana, vietnamianina | ||||
Sandam-bola | Đồng (VND )
| ||||
Faritr'ora | UTC +7 | ||||
Hiram-pirenena | Tiến Quân Ca (Mandroso ny tafika) | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+84
|
I Vietnamy, na Repoblika Sôsialistan' i Vietnamy dia firenena ao Azia Atsimo-Andrefana ao atsinanan' ny Saikanosy Indôsinoa. Mirefy 341 690 km² ny velaran-taniny ary miisa 90,3 tapitrisa ny mponina tgao aminy tamin' ny taona 2012. I Vietnamy no firenena faha-13 be mponina indrindra eto ambonin' ny tany ary firenena aziatika fahavalo be mponina indrindra.
Ny firenena mizara sisintany aminy dia i Sina, i Laôsy ary i Kambôdia. Ny renivohiny dia i Hanoi ary ny tanàna lehibe indrindra dia i Hô-Chi-Minh-Ville. Atao hoe Cộng hoà Xã hội Chủ nghĩa Việt Nam izy amin' ny fiteny vietnamiana.
Manana halava mirefy 1 700 km, avy avaratra mianatsimo, sy sakany tsy mihoatra ny 300 km i Vietnamy. Be tendrombohitra sy be lembalemba, izay mahatratra 65 %n’ ny taniny ity firenena ity. Ny Ony Mena ao avaratra sy i Mekong ao atsimo no ony lehibe indrindra any. Toetanin-janapehin-tany ny toetany any.
Makitroka ny mponina any Vietnamy ary misy mponina 1 000 isaky ny km2 amin’ ny faritra amorontsiraka sasany. Betsaka ny tanora satria latsaky ny 15 taona ny 37 %n’ ny mponina. Ny 75 %n’ ny mponina dia monina an-tanàn-dehibe.
Mandroso ny toekaren’ i Vietnamy nefa tsy voatsinjara tsara eran’ny taniny izany. Ny fambolena no loharanon-karena lehibe indrindra any, indrindra ny fambolem-bary. Mandroso koa ny fanjonoana.