Volamena

Volamena

Ny volamena dia singa simika mitondra ny eva Au (avy amin' ny teny latina hoe Aurum). 79 ny laharana atômikany. Mavomena mamiratra ny lokony, mavesatra izy, azo tefena ho manify araka izay azo atao. Metaly fanaovam-piravaka sarobidy ny volamena. Izy koa no fototry ny sandam-bola miasa eran-tany. Misy karazany roa ny volamena, dia ny volamena maitso sy ny volamena mena. Teo amin' ny tantara dia ny volamena no metaly sarobidy indrindra. Lazaina ho tsy mety simba sady metaly manan-kaja izy satria tsy dia andairan' ny asidra na ny harefesina.

Ny volamena dia singa tsy fahita firy ao amin' ny nofon-tany. Mety ho hita amin' ny endrika mivaingana na vovoka anaty fasika na vangongom-poti-bato manamorona ny renirano sy korian-drano madinika ity metaly ity. Ny volamena metaly miseho amin' ny endriny madio indrindra dia matetika hita miaraka amin' ny akoram-bolafotsy, amin' ny akoram-barahina, amin' ny akoram-by ary amin' ny amin' ny akoram-platinina.

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 ny volamena dia lasa sanda fototra eo amin' ny fifanakalozana ara-bola iraisam-pirenena. Manodidina ny antsasany amin' ny volamena rehetra eran' izao tontolo izao no tahirizina ao amin' ny vata fitehirizam-bolan' ny banky amin' ny endrika baram-bolamena. Amin' ny raharaham-barotra, ny ampahany betsaka amin' ny volamena vokarina dia ampiasaina amin' ny fanamboarana firavaka. Ankoatra izany, ny volamena dia ampiasaina amin' ny endrika takelaka manify amin' ny zavakanto amin' ny fanaovana ankoso-bolamena. Ampiasaina matetika amin' ny teknôlôjia avo lenta ny volamena satria tsy azo ovain-toetra izy ary mpampita aratra tsara. Ampiasaina indrindra amin' ny fampifandraisana bitika amin' ny sehatry ny elektrônika koa ny volamena.


Developed by StudentB