Ny Google inc (API : [gugœl]) dia orinasa noforonin'i Larry Page sy Sergey Brin tamin'ny 27 Septambra 1998 tany amin'ny Sillicon Valley any Kalifornia. Tamin'ny fanombohan'ny taona faha 2008, 210 lavitrisa dollar no lanjan'i Google tany amin'ny toeram-barotr'i Wall Street. Nanana lohamilina 1,8 tapitrisa hono i Google tamin'ny 2009, anefa 4 hetsy fotsiny no isany tamin'ny 2006. Hanao mpikaroka manana anarana Caffeine vaovao indray Google i Google ho an'ny taona ho avy. Tamin'ny fitaona anelanelan'ny Jiona 2000 sy Novambra 2004, efa miisa 8 lavitrisa mahery ny pejy hitan'ny mpikaroka Google. Tamin'ny 2008, iray lavitrisa mahery no isan'ny pejy hitany manerana ny Tranonkala.